mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Tifi-basy teo amin’ny samy jiolahy

Anosizato : Tifi-basy teo amin’ny samy jiolahy

Nirefotra indroa ny basy. Izay no henon’ny olona, ny harivan’ny alakamisy tokony ho tamin’ny fito ora. Vita izay dia nisy telolahy nirifatra nihazakazaka. Rehefa nohamarinina anefa teo amin’ny manodidina dia tsy nisy nitaraina ho voatafika na niharan’ny herisetra. Teo no nipoiran’ny tsoa-kevitra fa mety nisy fifamaliana teo amin’ny samy jiolahy ary niafara tamin’ny fifandrahonana sy tifi-basy. Samy nitsoaka rehefa vita izany. Azo heverina fa tsy nipetrapetraka tsara ny fandaminana nefa efa teo an-toerana mba hanafika hany ka niafara tamin’ny fifandirana. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana rehefa nisy nampandre. Nanao ny fisafoana rehetra saingy efa tsy nisy hita intsony ireo tompon’antoka tamin’ny poa-basy. Nanao antso avo izy ireo ny mba hampandre avy hatrany raha sendra ka manam-baovao mahakasika ity tranga ity. Mila mailo avy hatrany ny mponin’Anosizato Andrefana izay nitrangan’izy ity satria efa mihaodihaody eo izany ny jiolahy. Mety azo heverina fa tsy tonga tampoka tamin’ny lera efa voakajin’ny olon-dratsy ny olona tokony hotafihana. Na koa diso trano ny jiolahy. Betsaka ny tombatombana azo eritreretina manoloana ny tranga toa izao ary tsy misy afa-tsy ny fahamailoana eo amin’ny samy mpiara-monina aloha no azo hatao mba hialàna amin’izay mety ho tapodifohy ataon’ireo jiolahy mitam-basy. Momba ity tranga ity ihany dia nolazain’izay nahita fa mitovy fiakanjo izay mifanakaiky amin’ny fanamiana miaramila ireo telo lahy nitam-basy.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici