Olona roa antsoina hoe Soka sy Asmi, no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny « Unité d’Intervention Rapide » (UIR) sy ny « Sureté Urbaine de Tananarivo » (SUT) teny Anosy Avaratra sy Anjanahary. Ilay voalohany tamin’ny 12 novambra tamin’ny 10 ora maraina. Io andro io ihany koa ny tratra teny Anjanahary ilay faharoa. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ny olona telo lahy tratra mikasika ilay halatra môtô teny Andranobevava.Ny 5 novambra no nahafantaran’ny mpitandro filaminana ny fisian’ireo roa vao tratra ireo. Ireto farany dia nanambara, fa misy basy roa mandehandeha any. Basy fitondran’izy ireo manao fanafihana. Tamin’ny vela-pandrika natao no nahatrarana an’ilay antsoina hoe Soka. Rehefa nofotorana izy io dia voalazan’ny vaovao, fa any amin’i Asmi ny basy no napetrany. Rehefa nanontanina ity lehilahy ity dia nilaza, hoy hatrany ny vaovao, fa any amin’izany mpisolovava izany ilay basy. Nantsoin’ny polisy io olona voatondro io dia tonga nanatitra io basy io tany amin’ny SUT. Fantatra tamin’izany fa basy marika Makarov miaraka amina « chargeur » misy fahana enina.
Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia fantatra fa fitondra-dry zalahy manao fanafihana io basy io. Tany Toamasina, in-dimy no nampiasana ilay fitaovam-piadiana. Nolazain’izy ireo koa fa mbola misy namany maromaro mitondra PA any. Malaza ratsy tokoa ity andian-jiolahy ity. Faritra maro eto Andrenivohitra no tena fanaovany ny asa ratsiny : Avaradrano, Antanimena, Analamahitsy,sy ny toerana hafa izay ahitana asan-jiolahy sy halatra môtô. Fantatra koa, fa efa in-telo nigadra ilay antsoina hoe Soka naman’i Eric voatifitry ny SAG teny Talatamaty. Efa misy naman’izy ireo hafa migadra eny Tsiafahy. Ny nahavariana ny mpanao famotorana dia mbola sahy mirehareha ihany ireo voasambotra ary milaza fa manana mpiaro.
Nangonin’i r.s.