- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy Avaratra : Taxi-brousse nivarina tany an-tanimbary

Anosy Avaratra : Taxi-brousse nivarina tany an-tanimbary

Loza nitranga vao maraina tetsy Anosy Avaratra.

Sabotsy vao mangiran-dratsy, nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, tetsy Anosy Avaratra. Fiara mpitatitra mampitohy ny renivohitra amin’ny kaominina Ambohimanga Rova no tra-doza, niala lalana ary nivadika tany an-tanimbary. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana, na izany aza maro ireo naratra ary mbola nisy tamin’ireo mpandeha no tsy mbola niverina loatra ny sainy tamin’ny loza nihatra tamin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no niseho ny loza, raha ny filazan’ny tompon’ny fiara. Nitondra ireo tantsaha handeha hamonjy tsena vao maraina tetsy Andravoahangy. Kilaometatra vitsy, tsy hiditra an’i Sabotsy Namehana, tamin’iny vahavalan’Anosy Avaratra iny, no nifanena tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray izy ireo, Fiara, izay toa namantana avy hatrany tany amin’ity taxibrousse, raha ny fanazavana azo hatrany. « Niezaka niala izany ihany ny mpamily somary naka sisiny, saingy mbola nokasohin’izany fiara izany teo amin’ny valahany ary izay dona izay no nampivadika ny fiaranay tanaty an-tanimbary. Izy ireo ihany koa tsy nahavily ny familiana ary namantana teny an-tanimbary ihany koa. Ny mampalaelo dia tsy mba nanampy anay namonjy ireto mpandeha naratra tao anatin’ity taxibrousse ity ireo olona tao anaty fiara, izay sahalan’ny mamo izany fa nivoaka tsimoramora ny fiara ary nandositra tsy hita intsony ». Ramatoa iray no fantatra fa tena naratra mafy, satria tapaka ny tanany, ny ankoatr’izay saika ratra madinidinika avokoa. « Tsy nisy n’inona tadidiko intsony. Ny jiron’io fiara io mazava be namantana taty aminay no hitako farany dia izahay nivadika. Tany amin’ny zanako sy ny ankohonako avy hatrany ny eritreritro » hoy ity renim-pianakaviana izay iray, mpandeha tao anatin’ilay taxibrousse, vonto-tomany ary toa mbola tsy niverin-tsaina tanteraka. Marihana fa efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra, ary efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Ireo olona tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana kosa, hatramin’ny ora nialànay teny an-toerana dia tsy mbola hita na nankaiza na nankaiza. Fa tamin’io sabotsy maraina io ihany, fiara mpitatitra, saingy taxi-be indray no niharan-doza ihany koa tetsy Antanimena ambany. Voalaza fa nanana olana teo amin’ny hisatra izany fiara izany, raha iny nidina ny Falda iny. Tsy nana-pidiny araka izany ny mpamily fa nanapa-kevitra ny hanajanona ny fiara tamin’ny alalan’ny fandomana andrin-jiro iray teny an-toerana. Mpandeha maromaro tao anatin’ity fiara ity no naratra vokatr’izay loza izay. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Niteraka fahatapahan-jiro teny an-toerana moa ity loza ity ary efa tonga teny ireo teo anivon’ny orinasa Jirama, nanamboatra ilay andrin-jiro nianjera. Efa tonga teny ihany koa ny mpitandro filaminana miandraikitra ny lozam-pifamoivoizana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici