Lehilahy iray no nahatratrarana basy « kalach » iray, teny akaikin’ny fitsaràna Anosy iny, ny marainan’ny 4 aprily lasa teo. Nafenin’ity farany tao anatina gonina mangahazo izany fitaovam-piadiana izany, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary, izay nahazoana izao vokatra izao. Ny sabotsy lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity lehilahy ity ary nadoboka am-ponja vonjimaika teny Antanimora. Raha ny zava-nisy, « nisy fanafihana mitam-piadiana tany Ampanotokana/ Mahitsy izay nifanandrinan’ny zandary sy ny jiolahy dimy nitondra Kalachnikov iray, ny 8 martsa 2015 . Lavo ireo jiolahy ireo tamin’izany ka ny fokonolona no tonga mialoha teo amin’ny toerana nisy azy ireo. Rehefa nanatona teny ireo zandary dia efa tsy teo intsony io basy io fa efa nisy iray tamin’ireo fokonolona ireo no nanafina izany. Lehilahy iray no narahi-maso noahiahiana ho nanafina io basy io ». Nandeha teny ny fikaroham-baovao sy ny fanaraha-maso io lehilahy iray nohahiahiana io. « Re fa mitazona basy io lehilahy io ao an-tranony ka nosavaina, sangy tsy hita tao izany. Nisy indray anefa hetsika manaraka nataon’ny zandary ka re tamin’ny fikaroham-baovao fa niakatra any Antananarivo nilaza hivarotra mangahazo ralehilahy. Zandary vitsivitsy voairaka hanao “deferment” teo amin’ny tribonaly Anosy no sendra nahita azy io nilanja gony ka nanakana sy nisava azy. Tratra tao anatin’io gony io izay feno mangahazo noho izany ny basy izay nokarohana efa ela ka notanana sy natao famotorana ny voarohirohy, ary natolotra ny fampanoavana», hoy ny hatrany ny fampitam-baovao. Manamafy hatrany moa ireto tompon’andraiktiry ny filaminana ireto fa mba hisorohana ny fanafihana mitam-piadiana dia ny « ny fiaraha-miasa amin’ny mponina no tena ilaina mba hahombiazan’izany misimisy kokoa ».
m.L