Omaly no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny pôlisy ny voasoloky. Nisy hafatra fohy an-telefaonina tonga tao aminy ary nilaza fa misy vola mitentina 30 tapitrisa ariary azony. Saingy kosa misy fepetra tsy maintsy harahiny mba hahazoana ny vola. Avy eo nisy antso tamin’ny finday hatrany nanampy izany ary tena nandresy lahatra tanteraka ilay olona. Rangahy efa maherin’ny fitopolo taona no nantsoina ary mba taitra ihany izy momba ity mana nilatsaka avy any an-danitra ity. Resy lahatra ary nandefa vola an-tapitrisany izay nolazaina fa saran’ny fandefasana ny vola ao anaty kaontiny. Ny nahafantarana fa soloky ilay zava-nitranga dia noho ny tsy fahatongavan’ny vola mazava loatra. Omaly anefa dia mbola sahy niantso ihany ilay olona ary nilaza fa misy olana kely ary mbola misy vola tokony halefa. Raha ny fanazavany sy ny fandreseny lahatra dia ny hoe nisy vazaha teratany alemana izay tsy maintsy nody maika any ivelany ary tsy maintsy napetrany io vola io ka ilay rangahy efa lehibe izany no nosafidiany hanomezana an’izany. Nanomboka omaly ny fikarohana ilay mpisoloky. Na izany aza, mbola betsaka ihany ny olona marivo salosana, raha oharina amin’ity zava-nitranga ity. Fomba fisolokiana efa elaela ihany mantsy ity fandefasana « sms » ity mba hanjonoana olona.
D.R