- Publicité SW45 -
lundi, février 10, 2025
AccueilFaits-DiversAns Ampefiloha : Lasibatry ny mpangalatra ny fitaovan’ny mpianatra

Ans Ampefiloha : Lasibatry ny mpangalatra ny fitaovan’ny mpianatra

Omaly, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia mpangalatra roa lahy no tra-tehak’izy ireo tao amin’ny Ans Ampefiloha. Teo am-pangalaran’ny fitaovan’ny mpianatra.

Tsy misy miangana ! Manova tany filalaovana indray ireo olon-dratsy amin’izao. Tsy vitan’ny eny an-dalana intsony fa miroboka mihitsy any amin’ireo toerana izay heverin’izy ireo fa mety misy zavatra   mipetrapetraka azo alaina. Anisan’izany ny amin’ireny toerana fandehan’ny mpianatra ireny, toy ity eny Ampefiloha ity. Araka ny vaovao azo dia naharay antso ny kaomisarian’ny pôlisy fa misy entan’ny mpianatra very teny amin’io toerana. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy. Nametraka paikady ihany anefa, mba tsy hahamailo ireo izay mety ho mpangalatra ka pôlisy nanao fanamiana sivily no nalefa nijery sy nitsirika teny an-toerana. Tamin’izay indrindra, hoy ny vaovao no nahatsikaritra tovolahy anankiroa izy ireo, izay nanao fihetsika nampiahiahy. Ny iray, izay azo heverina fa tsy mbola ampy taona ary ny iray efa somary lehibebe ihany. Naraha-maso avy hatrany izy roalahy ireto ary niafara tamin’ny fisamborana azy ireo izany, ho amin’ny fanadihadiana. Hita tamin’ny fisavàna ireto farany, raha ny vaovao hatrany ny kitapo iray misy fitafiana sy boky ary finday sy vola mitetina dimy alina ariary. Nilaza moa ireto farany fa azy ireo fitaovana ireto kanefa noho ny fahaiza-manaon’ny pôlisy dia nibaradaka ihany.    « Saika mbola handà ireto farany fa rehefa nanaovana fanadihadiana lalina dia tsy nanan-kavaly momba ireto entana teny aminy ka fantatra ihany fa entan’ny mpianatra no avy nangalariny ». Tetsy andanin’izay, tonga nanamarina ilay fitaovana ihany koa ilay mpianatra tena tompon’ity kitapo ity, ary nilaza mazava fa azy ireo, rehefa nasaina nivantana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria.  Notazomina natao famotorana avy hatrany moa izy roalahy ireo, izay voamarina tokoa fa mbola vao 17 taona ny iray ary 18 taona ny iray ary hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana aorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici