- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntalaha : Fiaramanidina tapaka « frein » teo am-pidinana

Antalaha : Fiaramanidina tapaka « frein » teo am-pidinana

Omaly maraina no nitranga ny loza teo amin’ny seranam-piaramanidin’Antalaha. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany, tapaka ny hisatr’ilay fiaramanidina kely “Beechcraft bi-moteur” nitondra olona enina. Tafajanon’ny mpanamory ihany izany saingy nivoaka ny làlana tokony nizorany ary nifatratra tao anaty lobolobo. Afa-doza ireo olona nentiny. Tamin’ny tambajotra sosialy no nahafantrana fa isan’ny mpandeha tao anatin’izany ny Me Willy Razafinjatovo fantatra amin’ny solon’anarana Olala. Namonjy fitsaràna tao Antalaha ny anton-diany ary tratrany tsara ihany izany na dia teo aza ny semban-drahona kely noho ny olana ara-teknika izay nanjo ity fiaramanidina manokana ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici