Gidragidra indray no nitranga tao amin’ny fonjan’Antalaha. Ny talata hariva lasa teo, gadra roalahy no nikonokonona ny hitsoaka. Vokany maty voatifitra ny iray, naratra voan’ny bala kosa ilay gadra namany. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy olona namangy ireto voafonja roalahy ireto, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any. Tsy fantatra mazava hatreto na tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ity farany, nahavita nanome antsy iretsy voafonja. Efa teny am-pelan-tanan’ireo gadra ity zava-maranitra ity, ary niomankoman’ny hitsoaka ny fonja ireto farany, no voamarik’ireo tompon’andraikitra. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo, ka raikitra ny fifanandrinana teo amin’ireo mpiandry fonja, efa niantrana am-bava basy, tetsy an-kilany, ary iretsy gadra roalahy, vonona ny tsy hilefitra etsy an-daniny. Niafara tamin’ny tifitra mihitsy izany fifanjevoana izay. Voan’ny bala ny iray tamin’ireo voafonja, nikasa ny hitsoaka ka maty tsy tra-drano. Teo amin’ny tongony kosa ny an’ilay namany ka tsy afa-nihetsika intsony. Nilamina ihany ny toe-draharaha tany an-toerana taorian’izay. Eny am-pelan-tanan’ireo mpanao fanadihadiana kosa ny raharaha. Nentina tany amin’ny hôpitaly ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay naratra.
m.L