Tovolahy sahabo ho 27 taona eo no hita faty nihantona ambony hazo nifatotra tady mahazaka “nylon” teo amin’ny tendany, omaly antoandro, tany Ankoalabe Distrikan’ Antalaha. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, dia tsy lavitra sekoly tsy miankina iray ao Antsahamanitra no nahitana ny vantana mangatsiakan’ity tovolahy ity, ary tsy nisy nahafantatra azy ny mponina teo amin’ny manodidina. Ora roa taorian’ny fampilazana vao tonga ny havany nanamarina sady naka ny razana. Raha nitafa tamin’ny mpampahalala vaovao, dia nilaza ny fianakavian’ny maty izay nanadiso ny resabe miely amin’ny tambazotran-tseratsera, fa tsy famonoan-tena no nahafaty ny havan’izy ireo, fa novonoina tany an-toeran-kafa ity tovolahy hita faty ity vao nahatona teo ny vanta-mangatsiakany mba hilazana fa namono tena izy noho ny resa-pitiavana. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika an’ity raharaha ity, ka ho hita eo ny tena marina amin’ity tranga ity.
Eric Manitrisa