- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntalaha : Rangahy namoy ny ainy reraky ny firaisana ara-nofo

Antalaha : Rangahy namoy ny ainy reraky ny firaisana ara-nofo

Tranga hafa mihitsy no niseho tao amin’ny tokatrano iray tao Ambinagny Antalaha, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray, sahabo ho 43 taona no hita faty tao amin’io toerana io ny maraina. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra tao an-tanana ary nidina ifotony niaraka tamin’ny mpitsabo. Araka ny fitsirihana nataon’ity farany, raha ny angom-baovao isan-karazany nataon’ireo namana tany an-toerana dia voalaza fa harerahana diso tafahoatra no nahatonga ny fahafatesany. Izy azo heverina fa mety ho harerahana mafy vokatry ny firaisana ara-nofo nataony, niaraka tamin’ny vehivavy iray sakaizany nandritry ny alina. Marihana fa mbola niboridana tanteraka ity lehilahy ity tamin’ny fotoana nahitàna azy, raha ny vaovao hatrany.

Taorian’ny fitsirihana ny razana dia efa natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’itompokolahy. Mandeha kosa ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra, niaraka tamin’ny fikarohana ilay vehivavy niara-nandry taminy. Ity farany izay nitsoaka ary tsy hita tany nanjavonana moa taorian’ity tranga ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici