- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntalaha : Razana nentina nitety tanàna

Antalaha : Razana nentina nitety tanàna

Andro maromaro taty aoriana, navoakan’ny olona ary nampisehoana eraky ny tanàna.

Tezitra ny olona taorian’ny famonoana an’i Be Estelin Faralahy na Belagera, 20 taona. Nentina nitety tanàna ny razana mba ho hitan’ny olona ary nanehoana ny hasosorana. Raha hiverenana dia nisy basy very nandritry ny savorovoro teo amin’ny mpitandro ny filaminana iray izay nolazain’ny olona fa mamo sy ny olona tao anatin’ny toerana filanonana. Tonga ny namany ary nisambotra sy nidaroka. Teo no nitranga ny olona satria tsy vitan’ny nisy naratra fa nisy hatramin’ny namoy ny ainy. Tsy iza izany fa ny tovolahy voalaza etsy ambony (Belagera). Nitranga tamin’ny alakamisy 2 aprily io olana io saingy tsy nety maty ny afo ary tonga hatramin’ny fitondràn’ny olona ny razana nitety tanàna, efa ho herinandro taty aoriana. Niditra an-tsehatra ny olom-boafidy toa ny solombavam-bahoaka sy ny ben’ny tanàna mba hitady ny marina ka hitondra ny filaminana. Ireo mpitandro ny filaminana koa, etsy ankilany, dia miaro tanteraka ny olony ary milaza fa tsy misy hamamoana izany nandritry ny fifandirana. Mihenjan-droa arak’izany ny tady. Ny tanjona maika dia ny hiverenan’ny basy izay very tao anatin’ny sahotaka ary koa ny hampihaonana ny roa tonta mba hiverenan’ny filaminana. Hatreto anefa aloha mbola samy mafàna ny fon’ny andaniny sy ny ankilany ary mitady ny karazam-bahaolana rehetra ny mpanelanelana dia ny olom-boafidy izany. Nilaza rahateo ireo farany fa tsy hanaiky izay mety ho tsindry na avy aiza na avy aiza ao anatin’ny fanelanelana mba hisian’ny filaminana. Ny andaniny very basy, ny ankilany manana ny maty noho ny vono sy daroka niniana. Samy manana ny filazany ny roa tonta.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici