
Manao ririn-dasa tsy tsaroana, hoy ny fitenenana. Na izany aza tsapan’ny rehetra ho nihanamirifiry ny hatsiaka tamin’ity. Ary ny loza dia namoizana aina olona iray izany tetsy Antampoketsa Ankazobe.
Araka ny fampitam-bavaon’ny zandary dia lehilahy iray tsy dia salama saina loatra izy io ary tsy manan-kialofana. Hatsiaka sy hanohanana no voalazan’ny mpitsabo fa nahatonga ny fahafatesany. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa ny sabotsy teo ity lehilahy 45 taona ity no hita faty nitsirara teo amoron-dalana, manamorona iny lalam-pirenena fahefatra iny teo amin’io toerana voalaza io ambony io, fokontany Androva Atsimo, tsy lavitry ny sampanana mihazo an’Amborotarakely. Olona sendra nandalo no nahita ny razana ny maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany ho any ary nampilaza avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto farany niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Marihina, hoy ny vaovao, fa tsy nahitana faritra mangana na ratra teny amin’ity lehilahy ity ary tombanana ho hanohanana diso tafahoatra narahin’ny hatsiaka be, hoy ny mpitsabo no nahatonga ny fahafatesany, izay efa tany amin’ny adiny dimy mahery tany ho any.
Nosokafana teo ihany moa ny fanadihadiana ary ny zandary any an-toerana no misahana azy. Fanadihadiana izay voalaza fa hijerena ny mombamomba ity lehilahy namoy ny ainy ity sy izay mety ho havany. Na izany na tsy izany anefa dia efa natolotra ny olona iarahany monina ny razana ho amin’ny fandevenana azy.
m.L





