
Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana, fa nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, (PK : 315+650 ), tao amin’ny fokontan’Antanamabao, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny zoma faha-29 may taona 2026 teo iny, tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro tany ho any. Fiara taksborosy iray miloko maitso, ao amin’ny kaoperativa « COTRAG « no voalaza fa nidina nirimorimo avy teny amin’ny toby fiantsoana fiara eto Maevatanàna an-tapon-tanàna, ka tsy nahafehy ny familiana rehefa niala Bajaj teo alohany, ka nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana marika « GALLOPER « nifanena taminy. Noho ny hamafin’ny fifandonana nisy dia nifatratra tamin’ny fiara Sprinter miloko fotsy nijanona teo amin’ny ilany hakavanan-dalana, ireo fiara roa nifandona ireo, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho, dia olona dimy no naratra, ka tsy maintsy nentina namonjy ny toeram-pitsaboana « CHRR Morafenokely eto Maevatanàna, mba hanaraka ny fitsaboana sahaza. Ny roa tamin’ireo olona roa naratra ireo, dia voamarina fa tao anatin’ny fiara Sprinter nandona, ary ny telo ambiny kosa tao anaty fiara « GALLOPER. Nahitana fahasimbana ihany koa ny fiara rehetra teto. Raha nahare ny tranga ny Polisy miasa eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nijery ny zava-nisy. Nanao ny fiaraha-mientana tamin’ny fanalana ireo fiara teo ampovoan-dalana ny Polisy sy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny faritra aty an-toerana. Tany amin’ny 05 ora sy sasany hariva no voalaza, fa efa niverina nisokatra ny fifamoivoizana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa ny polisim-pirenena eto Maevatanàna no manokatra sy manohy ny fanadihadiana mikasika ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nahitana aiana nafoy kosa nandritra izao loza niseho izao.
Ratantely




