Tsy mety milamina ilay raharaha fitsaram-bahoaka, taorian’ny fanafihana andian-jiolahy 7 ity mpivarotra iray tao Antanambao Nosibe, izay nitondran’ireto andian-jiolahy ireo kalaky nofain’izy ireo tamina zandary am-perinasa manara-maso ny lalam-pirenena faha-5.
Nandritra izay dia olona 2 no maty tsy tra-drano izay tsy nisy naka ka voatery nalevin’ny fokonolona tany an-toerana ihany, 3 naratra mafy izay mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be ka isan’izany ilay zandary nampanofa ny kalaky basim-panjakana teny aminy, ary nahasamborana olona 2 hafa tsy naninona; nisy iray nitondra fiara tsy mataho-dalàna nitondra azy ireto kosa mbola afa-nitsoaka raha vao nahita ny faharatsian’ny zava-nitranga. Ny olana amin’izao fotoana izao, dia nogiazan’ireto fokonolona ireto ilay basy kalaky tratran’izy ireo, na efa niezaka nifandresy lahatra tamin’ireo fokonolona ireo tany an-toerana mihitsy ireo lehiben’ny zandary Toamasina, izay nambaran’izy ireo fa ataon’izy ireo porofo eo anivon’ny fitsarana ny zava-niseho marina tany amin’ny tanànan’izy ireo, sy ho porofo entin’izy ireo fa misy marina ny fampanofana basim-panjakana ataon’ireo mpitandro ny filaminana amin’ireo andian-jiolahy eto amintsika. Mbola mitohy hatramin’izao izany fanelanelanana izany amin’ny maha-fitaovana saro-pady ny basy mahery vaika ity, ka ho hita eo ny tohiny fifampiresahana. Efa niahatrika ny fakana am-bavany azy ireo 2 lahy tsy naninona nandritra ny fitsaram-bahoaka taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona, ireo maratra mafy mbola mitsabo tena kosa, dia miankina amin’ny fahasitranany na alalana avy amin’ny mpitsabo ny fakana am-bavany azy ireo. Mbola karohana kosa ny iray nitondra ilay fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ireo tafatsoaka…
Malala Didier