Andian-jiolahy “Bande de sept” no tra-tehaky ny polisin’ny “commissariat central Antananarivo” ny asabotsy lasa teo. Efa tamin’ny taona lasa iny no efa narahin’ny polisy maso akaiky ireto mpangalatra ireto ka izao tratra izao. Olona dimy misy vehivavy iray tamin’ireo fito no voasambotra, maty nandritra ny fifampitifirana ny iray ary tafatsoaka kosa ny iray ambiny, izay mbola karohina fatratra ankehitriny. Tamina toerana samihafa no nisamborana ireto mpanao ratsy ireto, izay niafara tamina fifampitifirana mihitsy. Araka ny vaovao voaray dia polisy ny iray tamin’ireto jiolahy, ary efa nahavita sazy 10 taona kosa ny iray hafa, ary misy roa ambiny mbola tokony hanefa sazy folo taona an-tranomaizina. Nahatratrarana basy poleta efatra sy antsy roa tany amin’ireto jiolahy tamin’izao fisamborana izao. Nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’izao dia basy 20 no tratra miaraka amina bala 200 mahery. Ankoatra izay dia manodidina ny 401 ny fanafihana mahery vaika, 4221 ny vaky trano ary 6400 ny halatra tsotra. Tsy hitsitsy amin’ny famaizana ireo minia mandika lalàna sy ireo mpanao ratsy ny polisy mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy isan-karazany, araka ny nambaran’ny “Commissaire Principal de Police” TSARAMONINA Ravony Jean Victor, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly tao amin’ny birao fiasany hotel de Police Tsaralalana. Nomarihiny ihany koa fa efa manana paik’ady manokana entina mampandry fahalemana ny tanànan’Antananarivo izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly moa ireto jiolahy dimy voasambotry ny polisy ireto.
Kanto R. (Stagiaire)