Manomboka miverina mirongatra indray ny asan-dahalo ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, aman-polony ny omby lasan’ny dahalo isaky misy fanafihana amin’ity disitrika ity. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana eo amin’izao fotoana, dia tsapa ho sahirana ireo mpitandro ny filaminana aty an-toerana noho ny tsy fahampian’ny olona sy fitaovana hentina hamongorana ny asan-dahalo. Anisan’ny tena olana, ihany koa ny faharatsian’ny lalana izay misy any ambanivohitra, ka manjaka tokana ihany koa amin’ity resaka fanafihana ity ny dahalo. Ny herinandro lasa teo izao,dia omby roapolo no lasan’ny dahalo tao amin’ilay tanàna antsoina hoe Antanadavan’Antafia. Araka ny vaovao voaray dia mbola eo am-pelatanan’ireo malaso ny omby ary miroso mianatsimo ny lalan’izy ireo. Marihana moa, fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nadritra ny fanafihana niseho tao Antanadava. Mitohy hatrany ny fanenjehana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Ratantely