- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanety Fenoarivo : Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy 10 taona

Antanety Fenoarivo : Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy 10 taona

Saika zava-doza no nitranga tao amin’ny tanana atao hoe Antombonana, fokontany Antanety, kaominina Fenoarivo ny talata teo. Raim-pianakaviana iray 30 taona izay voampanga fa nanolana ny zanany vavy vao 10 taona monja no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny pitandro ny filaminana nisambotra azy. Ny Marain’io Talata io dia no nisy nampandre io tranga io zandary ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo ka nidina avy hatrany nizaha ny zava-misy. Araka ny fanadihadiana natao no nahalalana fa efa ho roa taona eo izay ity raim-pianakaviana ity no nanao izao fomba ratsy izao tamin-janany. Saingy izao vao fantatra izany heloka izany. Ny reniben’ilay zaza no nahita ny zanany fa mibakabaka ilay zafiny rehefa mandeha ka nanontany ity farany. Rahefa nosokirina ilay zaza dia nilaza fa naolan-drainy izy. Araka ny fitantaran’ilay zaza dia tamin’ny voalohany dia noresen’ity rangahy lahatra izy fa hampijanona ny famaniany am-pandriana ny fnaovany firaisana ara-nofo aminy ary norahonany ho vonoina kosa izy raha vao milaza ny fiarahany aminy amin’olon-kafa. Rehefa noentina teny amin’ny mpitsabo ilay ankizy dia fantatra fa voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana saingy efa nahazo fitsaboana rehefa nentina teny amin’ny centtre Vonjy izay miahy ny olona niharan’ny herisetra toy izao. Rehefa voaporofo ny fisian’ity fanolanan-jaza ity dia notanana natao andri-maso teny amin’ny tobin’nyzandary ilay nahavanon-doza. Naovana tatitra ihany koa ny mpitsara ao amin’ ny fitsarana Ambaratonga voalohany eny Anosy ka andrasana izay ho tohin’izao raharaha izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tokony mba ovana kely ilay analyse natao tamin’ity. Izany hoe tsy zavadoza ve izany ilay zaza 10 taona nanaovana fanolanana fa hoe saika nisy zavadoza raha niharan’ny herisetra ilay 30 taona nanolana?

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici