- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Efa tonga ny mpanendaka sy mpangarom-paosy

Antanifotsy : Efa tonga ny mpanendaka sy mpangarom-paosy

Efa nanitatra ny tokontany filalaovany ihany koa ireo tontakely … Araka ity fampitam-baovaon’ny zandary dia tsy eto an-drenivohitra irery ihany akory no misy ireto mpangaraom-paosy sy mpanendaka ireto fa hatrany ambanivohitra lavitra any, toy ny any amin’iny distrikan’Antanifotsy. Manenjika ireo karazana tsena sy ireo toerana mahavorivory olona ry zalahy ary manao ny asa ratsiny. Efa maromaro ihany ireo mikaikaika ny amin’iny ataon’ireto tontakely ireto, indrindra fa ireo mpandraharaha any an-toerana, hoy ny vaovao. Ho famerenana ny fandriampahalemana araka izany dia nisy ny hetsika manokana nataon’ireo zandary any an-toerana, entina hamongorana ireto andian’olon-dratsy ireto.

Nahitam-bokany izany hetsika izany hatreto, raha ny vaovao hatrany satria efa maromaro ihany ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka voasambotra, izay efa samy natolotra ny fitsaràna ary nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Tsy hijanona hatreo anefa izany hetsika izany fa ho atao amin’ireo toerana misy tsena amin’ireo kaominina maromaro ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy : Antanifotsy, Antsahalava, Ambatotsipihina, Andranofito ary Ambohitopoina, raha natomboka tao Ambohimandroso. Manentana ny vahoaka hatrany moa ny zandary mba hifanome tanana amin’ny fizarana ny vaovao, entina hitandraona ny filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici