- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Halatr'omby, tafeverina amin'ny tompony ny omby vositra roa

Antanifotsy : Halatr’omby, tafeverina amin’ny tompony ny omby vositra roa

Nisehoana halatr’omby tao amin’ny kaominina Ambatomiady distrikan’ Antanifotsy ny alin’ny alarobia 7 jolay lasa teo. Very tamin’izany ny omby vositra roa, saingy tafaverina tamin’ny tompony ihany taorian’ny fanarahan-dia. Azo lazaina mbola tsara vintana ihany ny fokonolona nampian’ny mpitandro filamianana tamin’ny fanarahan-dia fa ny ampitson’ny fanafihana dia hita velona soa aman-tsara ihany ny omby lasan’ireo mpagalatra. Navelan’ireto farany tao anaty ala antsoina hoe Antaolanolona ao amin’ny kaominina Andranofito ny omby roa lahy. Tsy vao sambany akory ny nisian’ity rainizavona ity ao amin’ny distrika Antanifotsy ao fa zary efa lasa andavan’andron’ny mponina mihitsy. Misy manao latsak’alina ny omby, tsy maka omby maro ny jiolahy fa roa na telo eo no alainy. Vonoiny tsy lavitry ny tanàna ny omby hakany hena, ka ambinambiny toy ny tongotra sy loha sisa avelany, dia toy izay hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, dia mbola azo velona ny omby, ireo mpangalatra kosa tsy hita ny nanjavonany.

Andry N

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici