- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Mpandraharaha mpamatsy rongony

Antanifotsy : Mpandraharaha mpamatsy rongony

Lehilahy iray, izay fantatra fa isan’ireo mpamatsy rongony any amin’iny faritra Antanifotsy iny no voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo, tany an-toerana. Izy izay fantatra any an-toerana fa isan’ireo mpandraharaha manana ny toerana ary ny loza dia ireo mpanjifa sy ireo tanora ao an-tanana ihany no mpanjifa izany zava-mahadomelina izany ao aminy.

Efa niparitaka be tany an-toerana ny lazan’ingahy ary nahatonga ny zandary niditra an-tsehatra nanao ny angom-baovao sy ny velam-pandrika hisamborana an’ity fanetriben’ny firenena ity. « Ahiana hirongatra noho izany ny halatra sy vaky trano ary herisetra eo an-tanàna ka tsy niandry ela ny zandary fa vao nahazo alalana tamin’ny fitsarana hisava ny tranony dia niroso avy hatrany ». Tamin’io andron’ny voalohan’ny volana jona lasa teo io no tafalatsaka tao anaty haraton’ny zandary ingahy mpandraharaha, izay marihana moa, raha ny vaovao azo hatrany fa monina any amin’iny faritra iny ihany. Noraisim-potsiny araka izany izy. Tamin’io fisavàna ny tranony io mantsy dia mbola nahatratrarana rongony 150 fonosana tany aminy, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. « Tsy mandefitra ny zandarimaria fa na iza na iza tratra mandika lalàna dia tsy maintsy atolotra ny fitsarana mahefa » hoy hatrany ireto  mpitandro filaminana ireto. Notazomina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity mpandraharaha ity, hanaovana famotorana. Miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici