Mpangalatra iray saika handroba tao amina tokantrano tao Ambonivary, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy no voasambotry ny fokonolona ary nanefa hatramin’ny ainy, ny alatsinainy alina lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia teo am-pisokirana ilay trano ity tovolahy iray no taitra ny tompon-trano ary avy hatrany dia niantsoany vonjeo. Efa leo an’ity tsy fandriampahelamana mihamirongatra ity ny fokonolona ka niraihina avy hatrany nivoaka sy niezaka nisambotra ilay olon-dratsy. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra ilehio, ary dia samy nanala ny fony nidaroka sy namono ity olon-dratsy tratra am-bodiomby ity ny rehetra. Tsy nisy fitsitsitsiana intsony avy tamin’ireo mponina fa na inona teny an-tanana na inona dia samy nentina namonoana ity tovolahy ity. Vokany, tsy namelan’ireo nahatratra raha tsy tapitra hatramin’ny ain’ilay mpangalatra. Efa tsy nisy azo natao intsony tamin’ity lehilahy ity no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Tsy mponina eny an-toerana ity mpangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka ity, raha ny vaovao hatrany, ary tsy misy mahafantatra azy rahateo ihany ny mponina. Miantso izay ho havany araka izany ireo mpitandro filaminana mba ho tonga haka ny razana any an-toerana. Misokatra rahateo ihany koa ny fanadihadiana ataon’ireto farany.
m.L