- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Mpianatra tera-bao, nodidiany antsy ny zanany

Antanifotsy : Mpianatra tera-bao, nodidiany antsy ny zanany

Ny hamono ilay zaza no tao an-dohan’ilay zazavavy kely vao tera-bao ary nikasa hamono tena koa izy avy eo. Nodidiany antsy ny tendan-janany sy ny lamosiny vao teraka, notsiandriny lamba avy teo mba tsy hisy hahita, kinanjo tsikaritry ny manodidina ihany ny habibiana nataony ka nifamonjen’ny fokonolona. Zaza mbola mpianatra ao amin’ny sekoly iray tsy miankina ao Antanifotsy ity namoa-tsampona nikasa hamono ny zanany ity. Avy ao amin’ny kaominina Ambatomiady no tena fiaviany fa mandrato fianarana ao Antanifotsy. Tsy nisy nahafantatra fa bevohoka ilay zaza na  ny tao an-tsekoly na ireo namany mpiara-manofa trano aminy fa hainy tsara ny nanafina ny kibony. Omaly maraina rehefa  lasa nianatra avokoa ny namany no naterany irery tao an-tranony ilay zaza.Taitra ny manodidina raha nandre feon-jaza kely mitomany. Samy gaga avokoa ny manodidina fa tao amin’ny trano nisy ilay zaza ny feo no re. Izy rahateo tsy nandeha nianatra tahaka iretsy namany. Nanatona azy ny mpiara-monina ary nanontany fa misy zaza mitomany ao aminy. Nandà  fatratra izany anefa ilay zaza. Efa mailo ny manodidiana niverina tampoka tao an-tranon’ilay zaza, akory ny hataraina fa izy efa mandidy antsy ilay zaza no tratran’ny manodidina. Noezahina novonjena haingana izy mianaka ary nentina namonjy toeram-pitsaboana. Araka ny vaovao azo farany amin’izao ora hanoratana izao dia avotra ihany ny ain’ilay zaza menavava. Nambaran’ilay zaza fa ny havany « cousin » akaiky no nahabevohoka azy ary nentin’ny tahotra mafy izy ka ny hamono ilay zaza no tao an-dohany. Noraisin’ny sekoly an-tanana ny fikarakarana azy mianaka ary efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici