- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Mpifankatia noraràna, nanao bevohoka rakalakely tsy ampy taona

Antanifotsy : Mpifankatia noraràna, nanao bevohoka rakalakely tsy ampy taona

Kilasy fahadimy eny amin’ny CEG, ilay ankizivavy ary mbola vao 17 taona monja. Ny sakazainy kosa dia efa 20 taona. Efa noraràna izy ireo tsy hiaraka fa tsy nety… Tranga hafakely sy manalasala be ihany no niseho tao Ambatotsipihina, Antanifotsy, ny herinandro lasa teo. Tovolahy iray no nosamborina rehefa notoriana relijiozy iray fa nanodinkodina ny zana-drahalahiny, izay mbola tsy ampy taona ary nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ity ankizivavy ity. Ary tsy vitan’izay fa nitondra vohoka noho izay zavatra nahazo azy izay ilay niharan’ny fanolanana. Mazava ho azy, masiaka dia masiaka ny lalàna eo anetrahan’ny resaka fanolanana, indrindra fa raha vao resaka zaza tsy ampy taona. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ary niroso tamin’ny fisamborana sy famotorana. Nahazendana ihany anefa rehefa niroso tamin’ny fakàna am-bavany ny roa tonta ny mpanao famotorana. Raha ny voalaza mantsy dia mpifankatia izy roa ireto ary ny zavatra niarahan’izy ireo natao dia nolazain’izy ireo fa vokatry ny nahim-po sy ny fitiavana teo amin’izy roa fa tsy nisy faneriterena sy an-terisetra mihitsy. Vao mainka aza moa nahavalalanina fa nilaza ilay ankizivavy fa nanao fanahy iniana bevohoka mihitsy izy mba ahafahan’izy ireo miaraka tsy misy sakantsakana intsony. Manaiky soaamantsara ny hampiakatra an’ilay ankizivavy ho vadiny mantsy ilay tovolahy. Etsy an-danin’izay dia nanaiky ny hiarahan’izy ireo ny ray aman-drenin’izy ireo ary saika ny tamin’ny andron’ny alakamisy teo no saika nanaovana izany. Io andro io ihany koa anefa no nametrahan’ilay relijiozy, fianakavian’ilay ankizivavy fitoriana sy nisamborana an’ilay tovolahy. Vokany, notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany ilay tovolahy ary mety hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici