- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntanimalalaka Besarety : Fiara tapaka hisatra, nandona fiara roa

Antanimalalaka Besarety : Fiara tapaka hisatra, nandona fiara roa

Mafy ny fifandonana. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy, ny fahasimban-javatra no goavana. Ny harivan’ny sabotsy teo dia nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Antanimalalaka Besarety. Fiara marika « Mazda » avy amin’ny Ampasampito avy any no nilaozan’ny hisatra, raha iny handeha hidina avy etsy amin’ny hôpitaly miaramila Soavinandriana hihazo an’i Besarety iny. Ankevitry ny teo am-pidinana ny lalana ny mpamily vao nahatsikaritra ity olana ara-teknika nahazo azy ity. Nikivalavala nidina fotsiny araka izany ilay fiara. Tamin’izay fotoana izay mihitsy anefa no nisy fiara nifanena taminy, izay tsy afaka nialàny intsony. Tsy azo nihodivirana ny fifandonana. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifanena taminy voalohany. Tafahodina mihitsy noho ny dona nahazo azy. Tsy vitan’io fiara iray io ihany efa fa mbola nisy fiara kely iray avy ato afara voakasoka mafimafy. Tafavoaka ny lalana araka izany ilay « mazda » ary niongana tary ambany, tao anaty tokantanin’olona.

Samy nahitàna fahavoazana avokoa ireto fiara telo nifandona ireto, raha ilay « mazda » tapaka « frein » sy ilay fiara tsy mataho-dalana no tena voa mafy. Fantatra moa fa nisy ny faharatrana madinika nahazo ny sasany tamin’ireo olona tao anatin’ireo fiara nifandona.

Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana goavana teny an-toerana ity tranga ity. Tapaka tanteraka tsy azo nandehanana mihitsy moa iny ampahan-dalana, midina avy any amin’ny Homi mihazo an’i Besarety iny tamin’io fotoana io. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity moa ireo mpitandro filaminana tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici