- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimbary- Maevatanàna : Hanatanteraka " Festival Sôma Volamena

Antanimbary- Maevatanàna : Hanatanteraka  » Festival Sôma Volamena

 Hotanterahana ao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna, amin’ny datin’ny faha 25, 26, 27 Septambra hoavy izao ny  » Festival Sôma Volamena  » andiany voalohany, izay hampisongadina ny sehatry ny fitrandrahana volamena ao an-toerana ny tena tanjona amin’izany. Nisy moa ny fihaonana teo amin’ny fikambanana: ( 2S/412 na SEHO-SEHATRA 412) sy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina voalaza etsy aloha ho fanomanana sy fanamafisana ny endrik’ity hetsika ity. Hibahan-toerana mandritra ny daty voatondro kosa ny hetsika ara-kolontsaina sy ny ara-panatanjahantena maro samy hafa, miampy fifaninanana filatroana fitafy Malagasy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny diabe mamakivaky ny tanànan’Antanimbary no hanombohana ny hetsika fankalazana ny  » Festival Sôma Volamena  » ny zoma 25 septambra 2026 hoavy izao, amin’ny 09 ora maraina. Ny mpanakanto zanaky ny faritra Betsiboka no handravaka ny fiakarana an-tsehatra eny amin’ny lampihazo mandritra ny roa andro misesy, araky ny fandaharam-potoana ao anatin’ny tetiandro, ary ny tarika Lico Kininike kosa no mamarana ny seho ara-javan-kanto ny harivan’ny alahady 27 septambra  2026.

 Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici