Hatairana ny an’ireo mponina manodidna teny amin’ny tanam-baovao, fokontany sy kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna rehefa naheno sy nahita ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ny alin’ny faha 03 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny fito ora mahery telopolo minitra tany ho any. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa avy any Mampikony hihazo an’Antananarivo ity fiara kamiao iray ity, ka mpamily sy ny mpamily mpanampy iray no tao anatin’izany. Vetivety teo dia tapaka tampoko ny hisatra, tao anaty fiolanana. Vokany: latsaka tany an-kady, ilay kamiao no maty tsy tra-drano ny mpamily, raha naratra kosa ny mpamily mpanampy, saingy efa manaraka fitsaboana, any amin’ny » CSB2 Antanimbary. » Marihina fa folo metatra miala avy eny amin’ny ambon’iny arabe nisehoan’ny loza no misy ny fiara kamiao nivadika, izay feno vary amin’ny gony ihany koa. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa olona avy any Mahajanga moa ilay mpamily namoy ny ainy no miandry ny havany haka ny razana ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga any an-toerana.
Ratantely