- Publicité SW45 -
mercredi, février 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Lehilahy iray no hita faty nihantona tao an-tranony

Antanimbary-Maevatanàna : Lehilahy iray no hita faty nihantona tao an-tranony

Tsy dia fantatra mazava ny antony nahatonga an’ilay lehilahy iray nanantona tady, tao afovoan-tranony, fa ny olona teny anivon’ny fiaraha-monina misy azy no nampandre ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, rehefa nandalo sy nisava ny tranony. Raha hotantarana tokoa ny zava-nitranga dia ny andron’ny faha 27 Janoary taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny iray ora mahery 15 minitra no nampandrenesin’ny lehiben’ny vakim-paritra fahefatra eny amin’ny fokontany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Zandary sy ny mpitsabo, ary ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, makasika an’ilay lehilahy iray namono tena, tao amin’ny trano fonenany. Taorian’izay no niroso tamin’ny fizahana ny razana, ireo olona nahazo antso fampandrenesana, izay vaolaza etsy aloha, saingy tsy nahitan’ny mpitsabo soritra naratra na daroka no nahazo azy, ary nohon’ny fanantonana tady no antony nahafaty azy. Efa nomena ny fianakaviana kosa ny razana hatreto. Marihina fa eo amin’ny 31 taona eo, ity lehilahy ity raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici