
Ny faran’ny herinandro teo dia nitrangan’ny fanafihana niharo fandratrana olona tao amin’ny kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanana. Mpiantsena no lasibatra tamin’izay, naratra ary voaroba. Ny andron’ny alahady teo no nitrangan’izany, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva tany ho any, tao Ambodisakoa. Araka ny fantatra dia manao andiany ireo olon-dratsy ary mitora-bato. Vantany vao mitsoaka amin’izany ireo lasibatra dia efa tsenain’izy ireo avy ato aoriana indray ka tsy avelany raha tsy lasany avokoa ny entana rehetra. Nisy naratra moa ny sasany tamin’ireo voaroba tamin’izany ary nisy kosa ireo tafaantso vonjy. Vantany vao nandre ny zava-nisy ny zandary dia nidina teny an-toerana, niaraka tamin’ny fokonolona ary raikitra ny fanarahan-dia sy ny fanaovana savahao ireto mpanakan-dalana ireto. Nampandrenesina ihany koa ny tanana manodidina sy ny mponina manodidina hanao ny sakana ny lalana rehetra izay mety hitsoahan’ireo mpanao ratsy. Tsy niandry ela tokoa dia voahodidina ireo mpanafika, izay tsy afa-nitsoaka intsony na dia nisy nanao vy very ny ainy nitsoaka tanaty haram-bato, izay niafara tamin’ny faharatrana mafy mihitsy moa. Tsy vitan’izay fa mbola nikasa ny hanohitra ireto mpisambotra ka nataon’ireto farany taminy fanaovana azy. Ny iray kosa azo sambom-belona raha toa ka voalaza nisy tafaporitsaka ihany ny naman’izy ireo iray. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary moa ny iray tamin’ireo voasambotra raha mbola nalefa notsaboina kosa ilay naratra. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ilay tafatsoaka. Marihina fa mbola tratra teny amin’izy roalahy ireto ny entan’ireo mpitsena vao nangalarin’izy ireo.
m.L




