- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Sprinter nivadika, olona iray maty tsy tra-drano

Antanimbary-Maevatanàna : Sprinter nivadika, olona iray maty tsy tra-drano

Tra-doza teny an-dalana hihazo ny kaominina Antanimbary, ilay sprinter iray, ny Alahady lasa teo, vokatry ny fivadihana. Ankoatran’ilay olona voalazafa maty, dia nisy olona hafa ihany koa tao anatin’ny taksiborosy naratra. Tokony ho tamin’ny folo ora alina teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity, teny amin’ny tanàna antsoina hoe Rangala, any amin’ny kaominina Antanimbary, izay ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Avy nanatitra mpandeha teto Maevatanàna ity « Sprinter » iray ity no namakivaky ny lalam-pirenena fahefatra. Nony tonga teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony no niseho ny loza. Araka ny fanampim-panzavana voaray, dia nandeha mafy ilay fiara fitateram-bahoaka. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana raha tao anaty fiolahana izy ireo. Mazava ho azy, fa somary  nandeha mafy anefa  io fiara taksiborosy io tamin’izany. Vokany: rehefa avy nikivilavila ilay fiara dia nivadika ambony ambany, tamin’ny sisin’arabe. Mpandeha iray tao anatiny  manao zotra rezionaly Antanimbary, Maevatanàna no maty, ary nisy olona hafa koa naratra. Ireto farany moa dia samy nezahana haingana nentina teny amin’ny hopitaly Antanimbary. Nampandrenesina malaky ihany koa ny mpitandro ny filaminana hanao ny fisavana ny ho fiarovana ny faritra nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici