- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Mpangarom-paosy tratra ambodiomby, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antanimena : Mpangarom-paosy tratra ambodiomby, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Isan’ny toerana azo lazaina fa mafampana amin’ny harom-paosy sy fanendahana raha io fiantsonan’ny taxi-be eo Antanimena ambany io. Tsy vitsy tokoa ireo mitaraina, indrindra fa ireo mpiandry taxibe amin’ny hariva. Omaly, sendra ny nahay azy ity tontakely iray, izay sendra ny lalan-dririnina. Tratra am-bodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ny lehilahy tamin’io fotoana io. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nihanona fotsiny nijery ireo nahita izany asa ratsiny izany fa avy hatrany dia nandray fepetra nisambotra amin’ity lehilahy ity. Tsy vitan’ny nisambotra fotsiny anefa ireto nahita ireto, izay efa leo tanteraka ny ataon’ireo mpanao ratsy ireo, fa nampianjera ny hatezeran’izy ireo tamin’ity tontakely ity. Niainga teo avokoa ny daroka sy ny vono isan-karazany. Ny ain’ity mpangarom-paosy ity sisa no tsy niala tamin’io fotoana io. Soa ihany koa fa tonga haingana teo ireo pôlisy manao fisafoana amin’iny faritra iny, ka nisambotra sy nitondra ity mpanao ratsy ity.

Fa miresaka an’iny faritra ny boriboritany faha-telo iny hatrany dia tsy mandry andro tsy mandry alina ireo pôlisin’ny kaomisaria misahana izany faritra izany amin’ny ady amin’ireo tontakely sy mpanao ratsy. Vao andro vitsy monja izay no nahatratraran’izy ireo ireo mpamaky fiara roalahy, izay mampikaika ireo mponina tokoa eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny. Ireo fiaran’ny mpiantsena sendra miantsona amin’ny sisiny no tena ataon’izy ireo lasibatra amin’izany, raha ny fampitam-baovao azo. Mbola tratra teny amin’izy roalahy ireto moa ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’izany asa ratsy izany. Ny talata teo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici