jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Tra-tehaka indray i “Bolo”, jiolahy raindahiny

Antanimena : Tra-tehaka indray i “Bolo”, jiolahy raindahiny

Izy no Bolo.

Teo am-panendahana tovovavy mpianatra iray tetsy Antanimena no noraisim-potsiny ity jiolahy rain-dahiny, omaly maraina. Fantatry ny maro amin’ny petak’anarana hoe “Bolo” ity farany ary efa nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra Antanimena sy ny manodidina, Ankazomanga, Ankorondrano ary tonga hatreny Ivandry. Tamin’io omaly io, raha vao nisintona ny zavatra teny am-pelatanan’ity tovovavy ity izy no nifanehatra tamin’ireo polisy tsy lavitra teo. Nanaitra ireto farany rahateo ny antso vonjy nataon’ilay lasibatra. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tsy ela dia tratra i Bolo. Nentina nihazo ny birao ary notanana natao andrimaso, ho amin’ny famotorana azy. Marihana fa efa jiolahy ikoizana ity voasambotra ity, izay efa voarohirohy tamina resaka fanendahana sy vono olona. Tetsy andanin’izay dia nigadra noho izay resaka izay saingy mbola tsy mety fay. Raha ny fantatra dia faninefany amin’izao ingahirainy no “handalo” indray any ammm-ponja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici