jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimora : Jiolahy roa maty voatifitra

Antanimora : Jiolahy roa maty voatifitra

Nifanenjana indray ny pôlisy sy ny jiolahy teny amin’iny Avaratr’Antanimora iny omaly hariva. Vokany jiolahy roa no lavon’ny balan’ireo pôlisy ao amin’ny sampana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, na ny SAG. Nisahotaka avokoa ireo mponina teny amin’iny faritra Ampasanimalo, Avaratr’Antanimora sy Ambaranjana iny. Nirefodrefotra mantsy ny basy teny an-toerana, omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa nisy andian-jiolahy nikasa ny hanafika toerana iray teny an-toerana. Sendra ny nahay noho izy anefa izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity : nifanena tamin’ny mpaka kitay, araka ny fiteny mahazatra. Efa fantatr’ireo mpitandro filaminana ity fikononkononana fanafihana ity, raha ny loharanom-baovao ka efa nandrasana fotsiny ry zalahy ireto. Efa-dahy izy ireo, samy mirongo basy avokoa. Velona avy hatrany ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Iretsy olon-dratsy mantsy, raha vao nahatazana ireo pôlisy, avy hatrany dia nitifitra sy nanao tari-dositra tany amin’iny faritra Ambaranjana iny. Teo anatrehan’izany tsy maintsy namaly tifitra ny avy aty amin’ireo mpanenjika. Roa tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ireo mpitandro filaminana, tafaporitsaka kosa ireo roa ambiny. Latsaka teny an-tanan’ireto jiolahy maty ireto ny basy nentin’izy ireo, PA iray, araka ny fanazavàna azo hatrany. Mbola manao savahao ny manodidina hatreto ireo mpitandro filaminana, hirakorahana ireo olon-dratsy nitsoaka. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra kosa ireo voalaza fa jiolahy namoy ny ainy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici