- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimora : Mpiandry fonja sy gadra voan’ny Coronavirus

Antanimora : Mpiandry fonja sy gadra voan’ny Coronavirus

Tao anatin’ny herinandro izay dia samy mihorohoro tanteraka na ny mpiandry fonja na ny voafonja na koa ny fianakavian’izy ireo avy. Ny antony dia satria tongan’ny coronavirus koa ao an-toerana. Tao anatin’ny herinandro monja dia efa 12 ny olona voamarina fa tratran’io valanaretina io. Efa-dahy sy efa-bavy ary ny efatra ambiny kosa dia mbola miandry valin’ny fitiliana fa kosa efa nosokajiana ho toa ny voa, satria manakaiky be ny soritraretina ny fisehony amin’ireo olona. Natoka-monina avokoa ireo voafonja ireo, raha araka ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fonja. Loharanom-baovao hafa kosa no nahenoana fa isan’ny voa ny lehiben’ny fandraharahana ny fonjan’Antanimora ary nalaina maika tao an-toerana dia nentina notsaboina any amin’ny CCI Ivato. Voamarina izany ka ny alin’ny alatsinainy teo no nisehoan’ilay « évacuation sanitaire ». Isan’ny fepetra noraisina maika ao Antanimora ny fanokana-monina haingana ireo mitondra ny valanaretina. Ny iray tamin’ireo voafonja hatrany, no tsy maintsy nalefa ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Vehivavy izay sady manana aretina amin’ny tosi-drà izy io. Fantatra koa fa voan’ny Sida ny iray amin’ireo lehilahy izay nidiran’ny Coronavirus. Isan’ny namparefo azy ny valanaretina voalohany voalaza, ary nanamora ny fidiran’ny valanaretina faharoa. Ny fonja no isan’ny toerana atahorana indrindra fa mora iparitahan’ny Covid-19 noho izy maro olona mifanakaiky sy mifampikasokasoka ao anaty toerana voafetra. Iaraha-mahalala anefa ny zava-misy amin’ny fonja eto amintsika dia ny fitazomana olona eo anivony mihoatra lavitra noho izay zakany. Efa tonga tanteraka eo anivon’ireny toerana ireny ankehitriny ny valanaretina izay tena ahiana hiparitaka raha tsy voafehy maika. Tany amin’ny fonjan’Arivonimamo koa dia efa nisy 396 natao fitiliana ary andrasana ny valiny. Tany Toamasina indray dia efa 31 ny isan’ny voafonja voa. Raha araka ny fanazavana dia vehivavy voafonja ka niteraka ary niverina tao no nitondra « voan-dàlana » Covid-19. Mila fehezina malaky izy ity mba ho fitsinjovana ny ain’ireo mpandraharahan’ny fonja sy ny voafonja. Tokony hajanona koa, toy ny misy maneran-tany, ny tsy fampidirana am-ponja ireo olona tsy atahorana ny hitsoaka. Voamarina rahateo fa ireo izay nofonjaina vao haingana no nitondra ny valanaretina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici