Omaly alina tokony ho tany aminn’y 8 ora tany ho any, fiara iray no nirehitra teny Antaninandro afaka kelilaky ny Tetezan’i Behoririka ary tsy lavitra loatra fivarotana lasantsy raha ho any Ambondrona. Nijoalajoala ny afo ary na ireo mpampiasa ny làlana aza tsy nisy sahy nandolo noho ny tahotra soa dia mipoaka ilay fiara. Nilaza ireo nahita ny fandehan-javatra fa vetivety dia tonga teny amin’ilay toerana ny mpamonjy voina avy ao Andravoahangy hamono ny afo. Na izany aza, nananosarotra ihany ny asa. Tsy fantatra marina aloha hatreto ny antony nampireheitra ity fiara niloko mainty ity. Maro dia maro ny olona nitangorona nijery ny zava-nisy tamin’ny omaly alina.
r.s.