- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninandro sy ny manodidina : Taxibe 47 tratran’ny pôlisy tsy nanara-dalana

Antaninandro sy ny manodidina : Taxibe 47 tratran’ny pôlisy tsy nanara-dalana

Mitohy hatrany ny hetsika ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenana. Fitsirihana sy fidinana ifotony izay tanterahan’ireo kaomisarian’ny boriborintany miisa valo eto an-drenivohitra. Ho an’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo monja dia fantatra, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’izy ireo fa maromaro ihany ireo fiara, fiara fitateram-bahoaka sy ireo kodiaran-droa no tratran’izy ireo tsy nanara-dalana, ary nomena ny sazy sahaza azy. Nanomboka hatrany Mahazo, nitohy hatrany Behoririka sy ny manodidina, dia voamarika fa fitateram-bahoaka nanodidina ny 47 no voasakana. Voalaza fa misy ireo resevera tsy manao « visiere » akory na zara raha mitondra izany fitaovana izany. Ao ireo tsy manana « gel » sy ny maro samihafa. Ankoatra azy ireo dia nisy tamin’ireo mpandeha ihany koa no zary manao antsirambina ny fiarovana tokony hipetraka tsara eny amin’ny tavany, hany ka tsy maintsy nampidinina ary nampanaovina asa iombonana. Nisy enina izy ireo, raha ny vaovao voaray hatrany.

Raha izay no mikasika ny fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina, misy amin’ireo fiara mivezivezy eny amin’ny lalana eny ihany koa no tsy tomombana ara-teknika, izay atahorana hampisy lozam-pifamoivoizana. Araka izany, ny jiron’ireny fitaovam-pitanterana mivezivezy amin’ny alina ireny no tena tsirihan’ireo pôlisy ary nomena sazy izay tratra sy nasaina nanamboatra izany zavatra tsy mety, izay mety hitera-doza izany. Teo amin’ny lafiny fiara dia nahatratra teo amin’ny 21 isa teo izy ireo no voasakana. Nisy moa ireo nahavita nanamboatra ny azy teo no ho eo ihany ka nalefa nandeha. Teo amin’ny sehatry ny kodiaran-droa indray dia nahatratra 24 ireo tratra tsy nanara-dalàna tanteraka amin’ny fitondràna azy ireny. Niisa 17, hoy ny pôlisy, ireo tratra tsy nanao aroloha ary fito kosa ireo tsy manana jiro tomombana kanefa mandeha alina. Vao herinandro vitsy lasa izay no nanao ranolava tokoa ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra, indrindra moa fa amin’ny alina. Antony iray, nahatonga ity hetsika ataon’ny pôlisy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici