Volamena milanja eo amin’ny 30gr teo ho eo no lasa; izay miteti-bidy manodidina ny enina tapitrisa ariary, tao amin’ity fivarotana firavaka iray tetsy Antaninarenina. Voalaza moa fa ny mpiambina azy io ihany no nahavita nandroba sy naka io volamena io tao. Nandray an-tànana ny raharaha ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely. Tranombarotra iray no nisy nandroba ny voalohandohan’ny volana teo. Vovo-bolamena milanja eo amin’ny 30gr teo no fantatra fa very araka ny fitoriana nataon’ny tompony, teny anivon’ny polisy. Araka ny fanambarana nataony ihany dia ilay mpiambina tao aminy ihany no nahiahiana ho tompon’antoka tamin’ilay halatra. Nisy avy hatrany araka izany ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, ary niantefa tany amin’ity mpiambina nahiahiana voalohany ity ny fikarohana. “Fantatra nandritra ny fanadihadiana sy ny loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, fa eny Andoharanofotsy no misy ny fonenan’ity olon-dratsy ity” hoy ny fampitam-baovao azo. Tratra soa aman-tsara tao an-tranony moa ity lehilahy ity ary nentina namonjy ny biraon’ny polisy mba hofotorana. “Niaiky ny heloka nataony ity farany nandritra ny famotorana savaranonando natao taminy”. Tamin’izany no nilazany, fa efa namidiny ny entana ary tamina toerana fivarotana firavaka volamena ihany tamin’ny antsasa-bidy be izao amin’ny tena tokony ho vidiny ara-dalana. Ny alatsinainy teo no natolotra teny amin’ny Fampanoavana ity mpiambina mpangalatra ity. Izany tokony ny hoe ny natao hanirina indray no vao mainka nampivandravandra. Mila mailo.
m.L