Rakotoarisoa Jean Yves Michel, antsoina hoe Michel, 35 taona ary nonina teny Bemasoandro Itaosy. Ity tovolahy ity ilay namoahan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao taratasy fampikarohana ny andron’ny 11 oktobra teo. Araka ny voalaza ao anatin’io taratasy io dia karohina fatratra ny lehilahy noho ny resaka vono olona anankiroa izay, ahiahiana ho izy no tompon’antoka. Raha ny vaovao azo mantsy dia ny andron’ny sabotsy lasa teo dia nitrangana vono olona mahatsiravina teny Antehiroka tao amina tokantrano iray. Lehilahy iray terantany vahiny, niaraka tamin’ny vadiny no hita faty tao an-tranony. Rehefa avy notsatotsatohana tamin’ny antsy ireto farany dia nantsentsena tao anaty anaty lava-piringa nony avy eo. Teo amin’ny manodidina ihany no nahatsikaritra zavatra tsy dia mazava loatra tao amin’ilay trano ka niantso zandary avy hatrany. Ireo vatana mangatsiaka roa sy rà mandriaka anefa sisa no hitan’ireo mpitandro filaminana, ankoatry ny trano mikorontana ambony ambany. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ary fantatra fa ity tovolahy fantatra amin’ny anarana hoe Michel ity no noraisin’izy mivady farany tao an-tranony. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany mantsy dia efa tsy zoviana tamin’ireo mpivady namoy ny ainy intsony ity tovolahy ity satria efa noraisina ho zanaka an-trano mihitsy aza. Ny maraina talohan’ny nahitana ny vatana mangatsiakan’izy mivady dia tonga tao an-trano i Michel ary ilay Vazaha mihitsy no nanokatra varavarana azy. Tsy fantatra anefa izay zavatra niseho tao an-trano fa ny nisy antsoantso sy ny feon-javatra nikorontana no nanaitra ny manodidina ary dia io niafara tamin’ny famonoana feno habibiana io. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny anton’izao vono olona izao. Tsy fantatra ihany koa hoy ny zandary ny zavatra very tao an-trano. Marihana fa tsy misy afa-tsy izy mivady irery no mipetraka tao amin’io tokantrano io. Manentana araka izany ireo tomponandraikitry ny famotorana ho an’izay manam-baovao na mahafantatra ny misy an’ity tovolahy antsoina hoe Michel ity mba hiantso avy hatrany ny zandary eo Ambohibao amin’ny laharana 034 05 700 76 na hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy.
m.L





