- Publicité SW45 -
mardi, février 18, 2025
AccueilFaits-DiversAntehiroka : Nofatorany sy naolany ny sipany rehefa tsy nety niray ara-nofo taminy

Antehiroka : Nofatorany sy naolany ny sipany rehefa tsy nety niray ara-nofo taminy

17 taona razazalahy ary 17 taona ihany koa razazavavy. Ity farany izay voalaza fa mitondra vohoka amin’izao noho ny fanararaotana ara-nofo nihatra taminy ny alin’ny krismasy lasa teo. Ny nahavanon-doza dia tsy iza fa ilay zazalahy sakaizany ihany. Tranga niseho tao Morondava Antehiroka.

Ny 28 janoary lasa teo no nisy nampilaza ny zandary mahakasika ity trangana fanolanana niseho teny an-toerana ity. Raha ny filazan’ilay niharam-boina dia miasa an-trano eny an-toerana ity zazavavy ity ary nisakaiza tamina tovolahy teny an-toerana ihany. Nandritra ny fety dia mba niarakaraka izy roa ireto. Nangataka ny hanao firaisana ara-nofo taminy ralehilahy saingy nandà hatrany ravehivavy. Mety tezitra tamin’izay ity tovolahy ity ka nanamparany ny filàna ilay zazavavy. Nofatorany ary tsy namelàny raha tsy vita ny zavatra nangatahany. Taty aoriana, raha ny vaovao hatrany dia nandeha nody teny amin’ny rainy teny Sabotsy Namehana ilay zazavavy rehefa tsy niasa intsony, saingy voalaza teo fa tsy noraisiny, noho izy mitondra vohoka noho izay fanolanana izay. Ny hany herin’ilay vehivavy dia niverina tany amin’ilay sakaizany. Ny loza dia raoka aliaka niampy daroka hoe no nanaovan’ny renin’ilay zazalahy ity vehivavy ity. Izay toe-javatra izay, izay tsy takona afenina tamin’ireo mpiara-monina no nanosika ireo nahita, nampilaza ny zandary. Nosamborina avy hatrany moa izy mianaka ary notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ilay ankizivavy kosa nalefa nozahana fahasalamana eny amin’ny Centre Vonjy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici