Efa-dahy nirongo sabatra no nanafika tokantrano iray. Amin’ny telo maraina no niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano tetsy Miadampoina-Antehiroka. Raha ny filazan’ny niharam-boina dia tsy nanao saron-tava ireo jiolahy ary tafiditra tao an-trano rehefa novakiany ny varavarana. Noterena hanome izay misy rehetra ny olona tao an-trano : firavaka, finday ary vola. Nanohitra ny loham-pianakaviana ary setrin’izany dia voatsindrona antsy izy. Nisy nahavita niantso vonjy ihany tao anatin’ilay fianakaviana. Iny no nanaitra ny manodidina. Nisy tonga namaly ny antso ary mbola voatsindrona antsy ihany koa, teo amin’ny lamosiny. Rehefa nanomboka nahoraka ny olona izay vao niala teo ireo jiolahy. Lasa ny peratra, ny finday ary vola mitentina iray hetsy ariary. Misokatra ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka ny alin’iny ihany dia nanao sakana samihafa. Mandeha ny fikarohana. Ireo naratra kosa dia efa tsy misy ahiana ny ain’izy ireo rehefa nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana.
D.R




