Nisehoana hain-trano mahatsiravina indray teny amin’iny faritra Antetezana afovoany iny omaly. Trano hazo iray teny an-toerana no lasa lavenona. Ankizilahy kely tokony ho eo amin’ny 10 taona teo ho eo no maty, may kilan’ny afo tamin’izany, raha ny vaovao azo. Araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny enina ora maraina no niseho ny loza. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny firehetana raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana. Trano hazo rahateo ity may ity ka mora tamin’ny afo ny nandevona azy. Efa afo miredareda no hitan’ny fokonolona. Raikitra avy hatrany ny famonjena. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpamonjy voina. Tao anatin’ny fotoana vitsy ihany dia voafehy ny afo. Tafavoaka soa aman-tsara daholo ireo olona tao an-trano, saingy ity ankizy kely ity no indrisy fa tsy avotra intsony ary izao namoy ny ainy izao. Efa nomena ny fianakaviana ny razana, raha ny fantatra hatrany. Eny am-pelatanan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava kosa ny raharaha, izay misahana ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Somary mamofompofona doro trano niniana natao ihany mantsy ity tranga ity, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L