- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntetezana-Maevatanàna II : Napetraka ny Dinam-pokonolona “Betsiboka Miray tsy Miverina”

Antetezana-Maevatanàna II : Napetraka ny Dinam-pokonolona “Betsiboka Miray tsy Miverina”

Nanamafy ny fiaraha-miasa hiadiana amin’ny asan-jioahy ny Zandary sy ny Dinam-pokonolona  “Betsiboka Miray tsy Miverina”. Ny Alakamisy faha 14 Mai taona 2026 lasa teo iny no nidina ifotony tany amin’ny fokontan’Antetezana, kaominina ambanivohitra Maevatanána faharoa ny kaomandin’ny tombim-paritry ny Zandarimariam-pirenena sy ny mpiara-miasa aminy ny amin’ny fanentanana ny fokon’olona sy ireo mambaran’ny dinam-pokonolona.Tapaka nandritra ny dinidinika naharitra ora maro teto, fa hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta mba fisorohana mialoha amin’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby, any amin’ny tapany Andrefan’Ikopa iny, izay lasa toerana ivezivezerin’ireo olon-dratsy, rehefa mazava volana. Samy niara-nanaiky ihany koa ireto farany, fa mila mifanampy ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka, raha tiana ny hahazo vokatra amin’ny fandriam-pahalemana maharitra. Nandritra izany no nilaza ny tsy hilefitra amin’ireo mpanao ratsy ny teny niraisana nataon’izy ireo, indrindra ireo manao mpamosavy malemy miray tendro amin’ny malaso. Taorin’izao fihaonana nivantana izao, dia mbola hanohy ny fivoriana faharoa ny andron’ny faha 28 Mai taona 2026 hoavy izao, izay atao ao amin’ny fokontan’Ambodimadiro/Antanadava, kaominina Maevatanàna-II ny tompon’andraikitry ny filaminana voalaza etsy ambony mba hametrahana ny lamina, amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia nisaotra sy nankasitraka ny hezaka fidinana ifotony tahak’izao ny mpitondra sy ny vahoaka, any ambany ravinahitra any no maniry ny hitohizan’izany hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici