Nisehoana vaky trano tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohibary Fandriana, faritra amoron’Imania, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa garazy io nisy namaky io ka very tamin’izany ny “moto cross” lehibe roa sy “moto scooter” iray.
Tsy nisy nandre ny namakian’ireo jiolahy ny garazy ny tao an-trano, ny maraina hamoaka ny moto vao gaga nahita ny garazy efa nibanaka. Teo ihany dia niantso ny mpitandro filaminana ny voaroba, mbola tazana ary mazava rahateo ny lalana misy ny dian’ny kodiarana. Tsikaritra fa nizotra nihazo an’Antsirabe faharoa ny dian’ny kodiarana, mihazo mankany Ambohitsimanova. Marihina mantsy fa toerana mampisaraka ny faritra roa, Vakinankatra sy Amorin’Imania, no nisehoan’ity halatra ity. Nampandrenesina ny zandary teto Antsirabe mba handray fepetra. Ny alahady ihany, andro iray taorian’ny fahaverezana, nisy mpitondra moto iray vao nahatazana zandary dia nanary ny moto noentiny ary nitsoaka nandositra. Nifanenjehana ranama ka tratra ihany. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa iray tamin’ireo moto very tao Fandriana ity nentiny ity. Rehefa nosavaina koa ny tranony dia mbola nahitana kojakojana-moto maro be sy fitaovana fanamboarana moto ihany koa. Azo ambara noho izany fa asa ratsy efa fanaony ity mangalatra moto sy mandrava azy ity noho ireo fitaovana maro be tratra tao aminy ireo. Tsy mandeha irery anefa izy fa misy ireo namany manampy azy, izay mbola karohina fatratra ankehitriny, karohina miaraka amin’ireo moto roa hafa.
Andry N.