Loza mahatsiravina no niseho tetsy Antohomadinika ny sabotsy alina lasa teo. Trano hazo maromaro teny an-toerana mantsy no indray levon’ny afo. Araka ny tatitra azo avy amin’ny mpamonjy voina dia olona telo no namoy ny ainy vokatr’izany, izy mivady lehibe, niaraka tamin’ny zanany vavy 10 taona. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no niseho ny loza, raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahatonga ny fahamaizana. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia efa lelafo nijoajoala no hitan’ireo mponina niainga tao amin’ilay trano hazo iray. Velona avy hatrany ny antso vonjy. Nikoropaka ny iray tanana, samy niezaka namonjy ny fananany tetsy andaniny, ary ny famonoana ilay afo tsy hitatra tetsy an-kilany. Ny rivotra ihany koa somary nitsoaka mafy ka isan’iray nampanano sarotra ny famonoana ny afo teny an-toerana. Tamin’izay ihany koa no nahafantaran’ireo mpiara-monina fa mbola misy fianakaviana taraiky tao amin’ilay trano niavian’ny afo, ka raikitra ny famonjena azy ireo. Sarotra ihany ny famonjena azy telo mianaka ireto noho ny hidim-baravarana izay tsy nahafahana niditra tao an-trano mihitsy. Efa saika voafehin’ireo fokonolona ihany koa ny afo, vao tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina raha ny fanazavana azo hatrany. Ny niezaka namonjy ireo olona tavela tao anaty trano no nilofosan’ny maro. Saingy indrisy fa efa vatana mikarainkona sisa no hany navelan’ny afo tamin’izy telo mianaka tao an-trano. Fianakaviana maromaro no tsy manan-kialofana vokatr’ity hain-trano mahatsiravina ity indray teny amin’iny faritra Antohomadinika iny. Ankoatr’ireo namoy ny ainy mantsy dia maro amin’ireo fianakaviana teny an-toerana ihany koa amin’izao fotoana izao no tsy manana n’inona n’inona. Potika tsy nisy tavela, lasa lavenona avokoa mantsy ny entana tao an-trano. Teo anatrehan’izay, tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Efa nomena ny fianakaviana kosa ny vatana mangatsiakan’ireo olona telo, namoy ny ainy tamin’ity hain-trano ity. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana mahakasika ny fototry ny afo, raha ny fantara hatrany.
m.L