- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mompera sandoka naka vola 50 tapitrisa tany amin-dry Masera

Antohomadinika : Mompera sandoka naka vola 50 tapitrisa tany amin-dry Masera

Olona iray misandoka ho mompera no fantatra, fa tratran’ny polisy avy ao amin’ny « Direction de la Repression des Investigations Econimiques » Anosy. Nisoloky vola  tamina fikambanana Masera iray etsy Antohomadinika ity lehilahy ity. Rehefa natambatra ny vola lasany, dia nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary. Nitonona izy fa izany Mompera Victor izany no anarany. Avy any Andafy izy ary nilaza tamin’ny fikambanan-dry Masera fa hanampy azy ireo ara-bola. Manana vola vahiny maromaro izy ka izany no hatolony ho an’ny fikambanana. Hatreo dia toa nizotra tsara ny resaka. Niantso ireo tompon’andrikitra ao Antohomadinika izy, fa mila vola andefasany ireo vola vahiny. Tsy nanana ahiahy ireo relijiozy fa avy hatrany dia nandefa iray tapitrisa ariary. Andro vitsy taty aoriana dia naharay antso indray ireo masera fa sendra ny lozam-pifamoivoizana tany Mampikony ilay mpisoloky ka maratra be any amin’ny hopitaly. Nisy nandroba sy nidaroka izy tamin’izany ka lasan’ireo olon-dratsy ny vola vahiny tany aminy. Mila vonjimaika izy taorian’izany. Ny vaovao hatrany no nahafantrana, fa dia nentim-pahatsorana ireo masera ka dia nandefa vola indray. Rehefa natotaly ny vola lasan’ilay mpisoloky, dia nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary. Raha vao azony ny vola dia novonoiny ny finday fampiasany. Teo vao gaga ireo masera ary nahatsikarika fa mpisoloky ity lehilahy naka volabe tany aminy ity. Rehefa nahatsapa izany ireo niharan’ny fisolokiana, dia nametraka fitarainana tany amin’ny polisy. Natao ny fikarohana an’ilay lehilahy ka tany Maevatanana izy no nosamborina ny 12 novambra teo. Rehefa nandeha ny famotorana, dia fantatra fa taizan-dry masera tao Antohomadinika ihany ity nisoloky azy ireo ity. Izany no nahafantarany ny laharan’ny finday fampiasan’ireo masera. Anio no hatolotra ny Fampanoavana eny Anosy ity mpisoloky ity.

r.s

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici