- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpamily taxibrousse maty voatifitra tao anaty fiara

Antohomadinika : Mpamily taxibrousse maty voatifitra tao anaty fiara

Mpamily taxibrousse avy any Ambatondrazaka, tonga maraina teo amin’ny toby fiantsonana etsy Antohomadinika, no nisy nitifitra tao anaty fiarany omaly tokony ho tamin’ny 4 ora maraina. Araka ny angom-baovao, natory tao anaty ny fiarany ity mpamily ity no nisy lehilahy vitsivitsy nanatona ka nandondona nampamoha azy ny varavarana. Tsy nanaiky anefa izy ka avy hatrany dia novakian’ireo jiolahy tamin’ny vodibasy ny fitaratra teo amin’ny ankavian’ilay mpamily. Tsy nisy alaharo fa avy dia nitifitra ireo jiolahy ka nahavoa ny sandry sy ny tendan’ilay mpamily ka nahafaty ity farany teo no ho eo. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’ny fitifirana. Tsy nisy araka izany ny fandrobana vola na entana nataon’izy ireo. Nefa araka ny angom-baovao teny an-toerana dia mbola tao  anatin’ity fiara ity ny ankamaroan’ireo mpandeha nentiny avy any Ambatondrazaka niandry ny andro hazava. Mipetraka ary ny fanontanina ny amin’ny mety ho anton’izao famonoana ankitsirano izao. Araka ny fantatra dia sady tompon’ilay fiara no mpamily ity voatafika ity. Omaly ihany dia efa nalain’ny fianakaviany teny amin’ny tranom-paty teny amin’ny HJRA ny razana rehefa avy nozahan’ny mpitandro ny filaminana. Andrasana araka izany ny mety ho voakatry ny fanadihadiana momba izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici