- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka raindahiny voasmbotry ny polisy

Antohomadinika : Mpanendaka raindahiny voasmbotry ny polisy

Efa gadralava mbola mamerin-keloka ihany ! Ny an’ity ranamana ity no tonga amin’ilay fitenenana hoe tanana efa zatra mitsotra. Mpanendaka efa malaza ratsy amin’ny asa ratsy ary diso fantatry ny rehetra eny amin’iny faritra Antanimena, Antohomanidika, Antsalovana ary Isotry iny no tra-tehaky ny polisy indray teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny andron’ny talata teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia ireo mpiandry taxibe sy ireo ao anaty fiara fitanteram-bahoaka no tena atao ny lasibatra. Ary efa tsy vitsy ny nitondra faisana tanteraka vokatr’izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao dia miezaka ny polisy miady amin’ireo karazana asa ratsy ho fametrahana ny fandrimpahalemana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nametrahana polisy manao fanamiana sivily tamin’izany arrêt sy tobim-piantsonanan’ny taxibe ireny. Efa voara-maso araka izany ingahy mpanendaka sady efa tsy zoviana amin’ny sampan-draharahan’ny polisy rahateo ingahy. Niandry fotsiny izay hanaovany ny asa ratsiny. Olona iray sendra niandry bus no avy hatrany dia niantsapazany. Tsy niandry ela araka izany ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nosamborina am-boadiomby ity mpanendaka ity ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana azy. Natolotra ny Fampanoavana ny ampitson’io ary naverina nadoboka am-ponja indray. Manentana hatrany ny polisy mba ho mailo lalandava satria tsy kely lalana ny ratsy indrindra eny amin’ireo toerana be mpivezivezy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici