- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Ramatoa mpivarotra rôrô, voasambotry ny pôlisy

Antohomadinika : Ramatoa mpivarotra rôrô, voasambotry ny pôlisy

Mahalafo eo amin’ny dimy fonosana isan’andro ity ramatoa ity, amin’itony karazan-java-mahadomelina mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe « rôrô » itony.

Mihamahazo vahana ny fandraisana ireny rongony mahery vaika ireny ary miparitaka izay tsy izy tokoa izany amin’izao fotoana izao. Tsy voatery ireo olona manana fahefa-mividy ambony intsony no mandray izany ankehitriny fa saika ireo karazan’olona rehetra mihitsy. Ary ny tena mahagaga dia mazàna eny amin’ireo faritra lazaina fa faritra iva no tena betsaka mpanjifa izany. Miandahy, miambavy mihitsy ireo mpanjifa, hoy ny fanazavana azo, saingy hoe ny lehilahy no tena maroan’isa amin’izany.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia teny amin’iny faritra Antohomadinika IVO iny no nanaovan’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina hetsika, rehefa nisy ny tsilian-tsofina azon’izy ireo fa misy olona manaparitaka izany teny an-toerana. Ny zoma lasa teo, nanao ny fanamarinam-baovao izy ireo. « Vehivavy iray, tokony ho 47 taona no voasambotra tao amin’ilay trano voalaza » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany. Fantatra ihany koa fa nandritry ny fisavàna ny tranon’izany ramatoa izany no mbola nahitàna rôrô miisa teo amin’ny teo amin’ny 30 fonosana teo tao aminy.

Mora ary azon’ny fahefan’ny vidin’ny rehetra tokoa, raha hivarotany izany rongony mahery vaika izany. Manodidina ny eo amin’ny 2000 ariary eo ho eo izany. Raha ny voalaza hatrany dia raisin’ity ramatoa ity sivy alina ariary any amin’ny mpamongady izany rongony izany izany ary io tsinjarainy sy hamidiny tsikelikely io.

Marihana fa karazan’ireo rongony mahery vaika hatsindrona ny « rôrô » ary hiaraha-mahalala ny voka-dratsy haterany, na eo amin’ny lafin’ny fiarahamonina izany na ho an’ilay olona mandray azy, izay raha vao tafandray azy indray monja dia tsy afa-miala fa mitady hatrany hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici