- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsakaviro : Andiam-behivavy mangalatra anaty « boutique »

Antsakaviro : Andiam-behivavy mangalatra anaty « boutique »

Telo vavy izy ireo ary mitondra vohoka ny iray. Niara-niditra tao anatin’ny toeram-pivarotana lehibe iray etsy Antsakaviro izay vao vita vao haingana ary tsy mitsahatra ny manintona olona. Nizara telo avy hatrany raha vao tafiditra ary mody samy nijerijery entana tao anatiny tao. Rehefa avy eo ny iray dia nanatona ny mpivarotra ary nampiresaka io farany. Ny roa ambiny amin’io fotoana io efa manokatra ny paoketran’ilay mpivarotra ary naka ny zavatra tao. Nisy nahatsikaritta tampoka izany ary dia raikitra ny antso vonjy sy ny fanenjehana ireo andiam-behivavy mpangalatra. Na ilay mitondra vohoka be izay noheverina fa tsy afaka mihazakazaka intsony aza dia tena tafatsoaka ary tsy voasambotra. Ny iray tamin’izy telo vavy no sarona ary miainga amin’io ny fanandihadiana mba hahafantarana ireo namany roa izay mpiara-miombona antoka aminy tao anatin’ny halatra. Mateti-pitranga ny fisian’ny vehivavy maromaro izay mivondrona ho mpanao ratsy. Etsy Behoririka sy Mahamasinan no tena toeram-panaovan’ireo ny asaratsiny. Izao izany dia efa mitatra any an-toeran-kafa koa ary toy ireny mitety toeram-pivarotana mba tsaratsara ireny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici