- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsakaviro : Metisy karàna, hita faty voatsatoka antsy

Antsakaviro : Metisy karàna, hita faty voatsatoka antsy

Tovolahy mety ho karàna iray, no hita faty tetsy Ambodiraotra Antsakaviro, ny sabotsy maraina lasa teo. Raha ny fizahan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tonga teny an-toerana dia azo heverina avy hatrany fa vono olona izy ity. Nahitana tsatok’antsy roa mantsy teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny lohany. Manodidina ny 30 taona eo ho eo ity lehilahy hita faty ity ; izay tao anaty tevana akaikina fiantsonan’ny taxibe ho an’Ankatso sy Ambohipo iny. Ireo olona mandalo teny an-toerana no nahatsikaritra azy voalohany, toy ireny olona matory ireny. Rehefa nojerena akaiky anefa dia hita fa mihoson-drà tanteraka ilay lehilahy ka nantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Hatairana ny an’ny rehetra rehefa nozahana akaiky, fa efa vatana mangatsiaka sisa ny an’ity lehilahy metisy karàna ity. Fotoana fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana avy hatrany ireo polisy siantifika sy ny polisy ireo misahana ny helokabevava. Ny fitiliana izany no nahitana ireo dian-java-maranitra, nandoaka ny tratrany sy ny lohany, izay noheverina fa nahafaty azy. Araka ny fanazavana azo, dia mety ho novonoina tany an-toeran-kafa ity lehilahy ity ary natsipy tao amin’io faritra iny taorian’izay. Ireo mponina eny an-toerana rahateo tsy misy mahafantatra azy, raha ny angom-baovao teny an-toerana. Fantatra efa mandeha avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity raharahara ity. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy ihany koa tany aminy. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mahakasika ity resaka vono olona ity. Ny hany azo antoka aloha hatreto, raha ny fanazavana azo, dia tsy misy ifandraisany amin’ny resaka fangalàna an-keriny, izay nahalasibatra ireo teratany karàna tato ho ato, ity zava-nitranga ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici