Ny harivan’ny alahady faha-13 septambra taona 2026 teo iny no namaly ny antso sy ny fanasana nataon’i Chantal sy Pierrôt, izay nikarakara ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny fiadiana ny amboara omby tao amin’ny fokontan’Antsakoabe, kaominina Maevatanàna faharoa ireo olom-belona mandrafitra ny biraon’ny KFIM Betsiboka, notarihin’Atoa Elia Rabevahiny filoha Nasionalin’ny KFIM na: Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara sy ny filoha mpitarika, ato anatin’ny faritanin’i Mahajanga Andriamatoa Soja Fulgence. Tao amin’ny tokantranon’ireo olona roa lahy manana toe-tena varira voalaza anarana etsy ambony no nadraisana sy nisaorana ny ekipa nanohana ny fifaninanana teo am-piandoana sy hatramin’ny lalao famaranana. Tsapan’izy ireo, fa tena nandray ny andraikiny tamin’ny fanohanana sy fifanampiana ny birao rezionaly KFIM aty Betsiboka no nanararaotra tamin’ny fangatahana fifanomezan-tanana amin’ny tokon’ny hanamboarana ny kianja eny ambony Atsimo mba haharitra na fahavaratra na maintany moa ny mpikaraka fifaninanana baolina kitra fatan-daza, any amin’ilany avaratry ny kaominina Maevatanàna faharoa iny. Raha tsiahivina kosa ny mpandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra nokarakarain’ireto farany, dia nahatratra 28 izany ho an’ny sokajy lehilahy, ary ny ekipan’ny Jet kintana ao Antsakoabe ihany no nahazo ny fandresena, ka nampijanona ny omby tao an-tanàna tsy nivoaka ny faritra misy azy.
Ratantely


